EZAKA FOANA (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EZAKA FOANA

(hirain'ny Groupes NUGAX)

Niezaka foana aho, nanao izay azo atao
Mba hanaporofoiko fa tiako ianao
Nefa indrisy fa toa very maina
Ilay mazava nitsilo mba nandrandraina

Avonavona sy latsa no nasetrinao izany
Nandratra ity foko ka nampitomany
Atao ahoana moa raha izay no fantatrao
Fa mety hahatsara ny fiainanao!

Hiezaka foana aho, mba hanadino anao
Amin'izay rehetra atao
Mitsodrano anao hahita izay ho anjara
Fa mivalona hatreo ilay tantara

Fa raha ho lasa ianao ka tsy hiverina intsony
Izaho kosa indra tsy maintsy ho tony
Hampody ho mazava ilay haizina teo
Hanadino tanteraka izay zavatra niseho!

....niezaka foana aho, nanao izay azo atao
Mba hanamporofoiko fa tiako ianao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1693 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 24/12/2005 07:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102