You are here: home > Vetso

Fara-bolana... - HASINIONY

Azo vakiana?

Aoka izay ry tiana... ity foko oriory
Ho resy sy mangina koa aza tairinao;
Andeha mamikavika, ny lalanao izory
Andrao hamohafoha ny lasako efa lao.

...fitia hafahafa, fitia maroloko
ka mamony ny foko!

Angino izato kalo sy sioka manodoka!
Sento iraika monja raha sitrakao rodony
Mangina ka mangina andrao hamohafoha
Hanaitra ity malala, handratra indray fony.

...tsiriry sy arosy, tsy miaraka farihy
tsy miaraka mandihy!

Izory izato dia fa aza miherikerika
Andrao ny jerinao hangarika ahy tomany
Ankaratro omaly no kotsan'erikerika
F'anio tsy misy anao tsaroako tena mamy!

...tsibotry sy adrisa, izaho sy ianao
ka tsara mifandao!

Sokajy : manokana