FITIAVANA MADITRA (HASINIONY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA MADITRANdrao sempotra leiroa,
Fa io fitiavana io mpananika tamboho,
Fa io fitiavana io
Mpananika tamboho ny fon'ny tsy mitandro,
Dia efa isan'andro,
Fa io fitiavana io mpanapaka tehezana
Fa io fitiavana io ka lasa fihomehezana!
Ndrao potraka leiretsy,
Fa io fitiavana io kodiarana kalesy,
Fa io fitiavana io
Kodiarana kalesy somary adaladala
Somary mankahala,
Fa io fitiavana io kodiarana tsy tana
Fa io fitiavana io no lalan'ny Satana!
Sao rendrika leiretsy,
Fa io fitiavana io dia ran'Ikotofetsy
Fa io fitiavana io
Rà miloko mena tan-tsatotsatok'atsy
Sy teniteny ratsy,
Fa io itiavana io fitia mitsiriritra
Fa io fitiavana io FITIAVANA MADITRA . . .
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahiahy
Hevitra mandeha

proost
(
25/03/2006 10:16)
mama ah matahoatra an io fitiavana io za

hasiniony
(
29/03/2006 07:23)
proost, teny atsipy eny am-pon'ny mahalala fotsiny iny eh! Ny mampalahelo dia izao: "Io fitiavana io dia sahan'ady iray goavana irin'ny fotsika ho vakivakiana kanefa dia raozy monja no mba eny an-tanantsika"

cooper
(
13/07/2006 14:31)
dia tsy mba misy lafi-tsarany kosa ve zany ilay fitiavana?
mlày e ! @zay "soa ho lavo hahay mamindra..." @ le fitiavana io !
mlày e ! @zay "soa ho lavo hahay mamindra..." @ le fitiavana io !

RAILOVY
(
10/10/2006 14:29)
tsy mora² ny mitia fa mila mitandrina sy vonona tsara fotsiny de ça va e!

hasiniony
(
11/10/2006 16:52)
Mankasitraka anao RAILOVY AH

kanto10
(
24/01/2007 16:46)
za ngamba tena nandra fa tsy misy azoko mitsy ny tinao hampitaina nefa merci e