You are here: home > Vetso

fitiavany ? - HASINIONY

Azo vakiana?


Iny ilay fitiavany...; im-polokely lavo
Ianao mba nantenaina, faly nampahory
Ny fara-lazonadiny, dia nenina no vazo;
sy tononkira poizina, nandrotika ny fony.

...injao mirediredy anao sy ny hasoparany,
Nahoana ianao no nisy, k'anefa hamela ratra?
Kilalaon'afo nandoro ny tantarany;
Dindo iray ho fasan'ny fo voarasarasa.

Ry..., tsy mataho-tody
Ny aniony handalo ihany, fa ny ranomody!
Hanjohy anao mangina
Io 'lay rano raraka, ho raofinao ry tiana...!

Dia hitsahatra ny sentony!

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

ajao (13/03/2012 06:53:14)

ny tany fandalovana, miendrika tomany.. nefa koa tsarovy fa misy tsyky ihany.

soamaeva (21/10/2012 15:15:09)

Eny e! marina izany, fandalovana tokoa.... Nefa!!!!! Sarotra ny fiainana
.....
Rahoviana ihany 'lahy no ahitako 'zany tsiky????? Saaaaa?????

hasiniony (22/10/2012 19:29:16)

...horontsoniko mangina
amim-peo mamelovelo
'lay valihako mahaory,
amin'ny oram-pifaliana
tsisy alok'alahelo
hitsenako anao matory,
lanton'endrikao tomany
...horadoiko tsiky mamy

soamaeva (23/10/2012 09:39:37)

'zany tononkiranao mampamelombelon'aina
...mampitsiky 'zato fo efa leon'ny miaina...
Tomany lava no sakafo
satria mafy 'lay ankaso.....