RY FIRENEKO - HASINIONY
Azo vakiana?
Ry Fireneko miano-jaly
Ontsaontsa anao ny foko
Ka manoina te-hamaly
Ny fanalon’ny toloko
Lalina ny fahantrana
Mandazo anao ry Tanindrazako
…dia soparana fafana
‘Reo izay vatsy avy amin’ny razako
Nony mby ankehitriny
Fongana tsy misy izany
Tsinin’iza, raha tsiny?
Hoy ny foko manotany.
Nefa…
Horontsoniko mangina
Amim-peo mamelovelo
‘Lay valihako mahaory
Amin’ny oram-pifaliana
Tsy misy soritr’alahelo
Hitsenako anao ‘zay ory
Lanton’endrikato tomany
Horadoiko tsiky mamy
Ny hampitraka anao no mamiko
Gasikarako tsy foiko
Ny fahafahanao ry taniko
No fahafahana ato am-poko.
Sokajy :
Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasinionyDaty : 12/02/2013
Mpamangy : 1516
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
...?LALA AH! ETSY ANGE HO TANTARAIKO ZAVATRA...
Tsy tsiny hono...!
ny fitiavana ?
Fo vahy
Harodako
ny lasa...
Tenin'ny hafa
Tolona
Poety