You are here: home > Vetso

Malala... - HASINIONY

Azo vakiana?

Malala ah ! Mangotika ny foko…
Mandrahona tomany ny habakabamangan’ny fitiavantsika
Mikotroka tsy laitra ireo alahelo adalako
Onindranomaso no ‘njao manalonalona,
ny fanonjanonjany no doboky ny foko…
Ô! Mitady anao hatraiza!

Malala ah! Rahoviana kay vao tsy ho nofy intsony…
‘reo dinan’ny fitia ifandrohizantsika, anopoako anao ho lala?
Eto ve sa any ankoatra vao hazava sy hitriatra,
ity rindrimben’ny fanahiako, miloloha anao ho anjara?
Ny akoako-tonombavako, hanova inona rahavako…?
Ô ! Ny foko miandry anao !