SALOVANA (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola mamolaly anao ‘zato efitry ny foko
Ry setroka nanditsoka ahy tao anaty famindroana
‘Ireo lavenon-dasantsika nampirodan’ilay toko
Hay, mambomba otrikafo tsy mety ho levon’ny fotoana,
Sahalahala an’izay no farasisan’ny fitiavako!

Ny any kosa torapasika?... sangian’onja dia afa-drofy
Ny omaly nahatola nivikinany im-pito
Ireo niarahana fahiny dia narendriny ho nofy
Nanorenany fitia, zary angano ny fisiako
Tahatahaka an’izay ny diarinao rahavako!

Izaho kosa hitahiry ireo salovana, sy endrika
Ho joroako tsangambato mba ho mandàn'ny tantara
Mantsy, sarobidy loatra 'lay fitiavantsika rendrika
Ve... izay rehetra tia dia voazanaky ny Anjara?
Miramira an'izay ny tontolo iririavako.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1908 3
Hevitra mandeha
kiriah ( 23/08/2012 20:15)
fombany daholo zany , mahereza e !
tsara le izy ka .
hasiniony ( 24/08/2012 04:08)
...mankasitraka kiriah, miara mankahery azy tsika eh!
hery ( 24/08/2012 06:59)
Tiako... mampitaha tontolo roa... helo sy paradisa? :-)
mirananirina ( 24/08/2012 17:36)
Tsara
tenompitia ( 24/08/2012 19:13)
hummm tsara be an, ay ty le aingam-panahy noresahin'i Betsillew tamiko omaly ;)
kiss d mankasitraka foana
zembla ( 27/08/2012 14:43)
mampalaelo be! dia ho sanatria ve dia tena niainanao izany? Sady zava-mpitranga matetika io voalazanao io! mazotoa,ary mahereza @ famoronana e!!!
hasiniony ( 27/08/2012 16:33)
...misaotra antsika rehetra, indrindra moa fa ireo 'zay nitondra tsipin-tsetsetra (tsy niainako le izy aloha eh) fa ny azoko tenenina dia ny hoe: "ny zavatra rehetra dia azo sainina avokoa, ary izay voasaina dia misy"; asa! izany angaha no maha aingampanahy ny aingampanahy? Ary indrindra moa fa talenta nohotazina teny amin'ny tontolo misy izy ireny, izay nindramina araka ny fomba fijery ka narafitra mba hanakaiky izany hoe "kanto". Mankasitra.
zembla ( 01/09/2012 06:15)
Mazava tsara! misaotra betsaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 23/08/2012 13:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098