TIAKO (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hany tiako mba ho fantatra dia Ianao any anaty
Izay iriko hivoady ho ahy irery mandra-maty
Ka ny fonao manontolo, ny fitiavanao etsetra
Atokanao ho hasambarakao amin'ny androko rehetra;

Mantsy...:

Tiako ianao ka nofidiko mba hiara-dalana amiko
Hiombon-tsiky sy tomany eny an'andro izay indramiko
Tiako ireto masonao renodrenoka fijery
Mba hibanjina ny tavako, ho hasambarako irery

Izato endrikao sariaka injany fa manintona ahy
Ka mamoha ilay fitiavako teny an-dalan'ny tsiahy
Tiako, eny satriko ihany ireto masoko oriory
Hiantefa eo lalandava ka tsy ho renoky ny tory

Izato tsikitsikinao toy ny volana baliaka
Eny anaty habakabaka amin'ny ali-manjopiaka
Tiako loatra ka tsaroako mambabo ny fitiavako
Sy mampivolana ny vavako: "Aza ela ry MALALAKO"

Izato bikanao miampy ny famindranao, injany
Mamohafoha ny nofinofiko mba hiendaka ny tany
Tiako loatra ka nanoina izato tepotepom-poko
Hamisavisa ilay fitia izay lalaiko sy trotroiko

Tiako izato feonao toa mifono hantahanta
Toa railovy iray mikalo eo anivon'ny akata
Mampisandratra ny hanina, mampametsovetso lalina
Ho eo an-tsaha nofy iray nony potraka iny ny alina

Tiako ireto molotrao toy ny vony mavokely
Mba hanoroka ny tavako amin'ny oroky ny anjely
Eo ny foko no hianoka izany nofy ho doria
Sy hivetso anao an-kira eny an-dalan'ny fitia.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1912 1
Mpakafy: kiriah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 23/10/2012 05:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148