TSIAHY MIRITSOKA (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taninin’ny tsiahy sy dindon’ny lasa ka misento lalina
Fa ao no mifaka ny anio sy ny hoavy ka saro-bonoina
Ilay hiran’ny faharesena fahiny nafehin-dRamalina
Voabitsika foana, tsaroana mazana tsy mety soloina
Satry ho anganon’i Koto sy Kala ‘reo sisa tavela
Kinanjo mambomba ny misy efa tola nandoro ny lamba
Mikolo ny ravi-nahitsany omaly ny siaky ny ela
Tandindona ireny… "mandavo ny poaka an-tanin’ny jamba"
Raha tsorina mantsy, dia ketsa azo afindra ny atao hoe fitia
Mamy ho tevezina nony matoy, kinanjo ny dimbiny, hay kolokolo
... Ratrin’ny lasa tsy azo anenenana ireny satria,
Namela ny ariny na dia nirehitra ho afomololo !!!
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1670 2
Hevitra mandeha
kiriah ( 25/01/2012 21:15)
waoooh! tsara zany tonokalo zany!
hjravs ( 27/03/2015 05:42)
Resy aho e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 11/11/2011 17:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145