Tsy eto aho anio ! (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahatoa ianao mifoha, taitra sy hendratin'
ny rezatry ny nofy! ... dia aza atao tsikaritro
F'izaho aty salanitra, minosana ao anatin'
...ny valabe sy riakan'ny nofinofy mamiko


Aty ny eritreritra, galabon-tsy mba revo
Tsy mahalala akory ny hiaky ny andevo
Mangina ny filàna, tony ny hetaheta
Foana aty ry lala ny tolon'ny poeta !

...

hatramin'izao sakaiza, dia tsy voavinavinako...
ny antony sy dikan'ireny fahanginako !
inoako anefa akia, fa tsy maintsy ho reko
ny antso antso, miako! ataon'ny fireneko;
hiara-hikiry aminy, na aiza tany hitsahiko...
satria ny fahafahany, no hany fahafahako.
--------
Rohy:
1327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 04/07/2011 16:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148