VAVAKA (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA

Andriamanitra ô! Androany ny fivavako ...
Tsy ho ahy velively fa any misy havako
Vonton-dranomaso ny ampitso sy ny hoaviny
Tankina sy ketraka fa lavo ny fitiavany
'lay hany mba notoaviny toa nivadika imolony
Ary toa izany koa ny fitiavana natolony
Nanadino lokaloka, nitsipa-dakana nitàna
Hay tsy azo ianteherana fa hazoboboka malama
Andriamanitra Adonai! Rahatoa ka sitrakao
Dia vangio ny fahareseny fa Ianao tsy mba mandao
Atrakao hahay hibanjina fa Inao no manome
Ilay fitiavana tsy tola, tsy resin'hatsaran-tarehy !

Dera ho anao ry Tompo ;
Fa voafafa ny toloko.
--------
Rohy:
1594 1
Mpakafy: hasiniony
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 16/03/2011 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152