You are here: home > Vetso

Za-pahoriana - HASINIONY

Azo vakiana?

           ZA-PAHORIANA

O! ry andro izay manjombona
Aiza ny oram-batravatra?
Aza avelanao hikombona
Ilay fery, fa aoka haratra

Ry nonoka izay tsara tsiry
Aoka ianao ho main-tendro
Mba hitondra ngirifiry
Mba hitondra fendrofendro

Ny fahoriako ho doria
Aoka tsy ho esorina amiko
Hiaretako satria ...
Ny mangidy izao no mamiko!

Hevitra mandeha

yonikafopl (24/12/2004 18:19:42)

oupssss hasinony mba hafa zany maminjy zany aky.