You are here: home > Vetso

Hanoratra - Hatenaina

Azo vakiana?

Salama!
Hanoratra indray e!
Hanoratra teny kely iray
Ho an'izay olona izay
Ilay tsy hitako efa ela be izay
Hanontany aho mantsy hoe:
Moa salama tsara ve?
Manao ahoana ny hafaliana
Any an-tany lavitra any?
Mino aho fa any tsisy hoe tomany
Izaho aza aty efa nilaozan-dranomaso
Ka ndry inoako hoe faly be mitafotafo
Izay aloha fa apetrako ny peniko
Dia hofaranako ny teniko

Sokajy : Namana