Dingam-piainana (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao ny andro fahazazana,
Milalao mikorana,
Mihosom-bovoka isan'andro,
Na maraina na atoandro.

Ao ny andro fahatanorana,
Mitombo hatsarana,
Mahazo fahalalana,
Manandrana hadalana.

Ao ny andro fahamatorana,
Misaina ny ho avy,
Mikaroka etsy eroa,
Mitady ny mahasoa.

Ao ny andro fahalebiazana
Mitady fahombiazana,
Misedra olana isan'andro.
Miandrandra anjara masoandro.

Ao ny andro fahanterana,
Mitady azo hianteherana.
Misaina ny taloha.
Ny hiafarana ihany koa.

Ao ny ratsy ialana,
Atao mandifotra ny loha.
Ao ny vady hialanĂ  aina,
Moa azo hantenaina ?
--------
Rohy:
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4712