Hafahafa ity (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafahafa ity !

Vao ningadona an_tokonana aho dia ny anaranao nantsoiko ?
Tsy sanatria nisy olana fa nangaika anao ny foko?
Notononiko intelo ?
dia io nihelohelo teo ambany masoko ny endrikao sariaka ?
Ny tsikinao baliaka?
D'izaho nibitsibitsika hoe tena tia anao❤️
Angamba izay renao ?
Nomeko asa ny fanahy hampita izany any
Angamba tongany ihany?

Nibitaka ny foko nandre anao nanoina?
Namaly fa nantsoina ?
Nanolotra fitiavana?
tsy mendrika fandavana
Injany tananao nampiankina ahy an-tratra
Injany foko kely midoboka hafahafa ?
fa ampoka fitia,
faly mifangia
Hafakely ity! ?

Ianao tsy eto akory fa reko tambitamby
Izaho tsy any akory nefa orohanao sahady?
Tahaka ny hoe hadino ilay isika nifanatitra,
nifamihina maharitra
fa samy lavi_dia
hafahafa ity
f'ianao mandre ny feoko
izaho maharay ny tananao
tia aho aloha, ekeko
fa tsy mbola nisy izao.

Heriarilala 05/04/22
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
30 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0129