Hanonofy anao (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanonofy anao

Rehefa tsy eto ialahy dia mangingina irery ikalakelinao,
Somary tsy be teny fa mangasihasy kely tsy hita izay hatao.
Zatra tambitamby, noana teny mamy, tomany safosafo
Izany rehetra izany tsy ho azony mihitsy na dia hividy lafo.

Rehefa tsy eto ialahy dia mila tsy hatory izao zavavy izao
Ela vao mahakimpy fa zatra maharay "soava mandry" avy aminao.
Ny andaniany ny ora, minitra sy segondra dia mamerina mamaky ny resaka taloha
Matetika izy mirana ka tsy misento loatra fa mitsiky avy ao am-po.
Faly mahalala no sady mahatsapa fa hoe tena tianao,
Dia tsy mety miala fa revo manonofy, manembon-dava izao.
Dia Ratorimaso no misintona azy ho any Antsahanofy,
Madio mangasohaso ilay fitiavanao tsapany mandrotsy.

Rehefa tsy eto ialahy dia mila tsy ho vanona izay rehetra atao.
Ny asa rehetra rehetra no satriko hajanona f'izaho hanonofy anao.

Heriarilala, 3 Desambra 2021, 05:48
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
14 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0258