You are here: home > Vetso

MBA AVELAO AHO HITOMANY - HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah

Ry namana ô !
Aza tsiny re omaly raha norarako ianao tsy hitomany
Omaly aho mantsy mbola faly
Tsy voaratram-panahy ka nahateny izany

Anio aho izao vao mahatsapa
Fa hay ny ferim-pijaliana
Dia voafantsika alahelo
Maika miha-lalim-paka
Raha kobonina mangina
Anaty tsiambaran-telo

Hay tsy niaiko ny lasa
Resy teny an-tsahan’ady
Ka tsy rototra aho nitady

Anio aho anefa babo
Norohizany amin’ny tady
Ka endre ! mirediredy

H.T.S 13.11.00

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah

Nampiditra : tinalalaina117
Daty : 14/05/2007
Mpamangy : 770
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Azafady mba fafao
AZAFADY MBA FAFAO
MBA HO AIZA?
FENOY

Hametraka hevitra

Midira aloha