AZAFADY MBA FAFAO (HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady mba fafao
Ilay tantarako hatrizay
Fa raha ny amiko dia ,
Efa fantatro fa,
Tsy ho anjaranao

Eny raha niezaka aho
Ny mba ho tiavinao
Dia tsy noheverinao akory
Fa nolozainao aza fa hoe
Toa adala sy manorisory

Ka hiangaviako mba fafao
Irony lasako sy tantara
Aza atao an-tsaina intsony
Indrindra fa ny anarako
Ary ko ny fitiavako

Ny endriko mitsiky
Ny masoko mijery dia
Aza atao an-tsaina intsony
Fa niseran’izy ireny
Ataovy toin’ny nofy
Tao anaty torimaso

Ka azafady mba fafao
Ilay fitiavako anao
Aza atao am-po intsony
Fa avy hatrany dia "avalony"

H.T.S.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1047 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah
Nampiditra : tinalalaina117
Daty : 15/05/2007 17:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138