Azafady mba fafao (HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady mba fafaoIlay tantarako hatrizay
Fa raha ny amiko dia ,
Efa fantatro fa,
Tsy ho anjaranao
Eny raha niezaka aho
Ny mba ho tiavinao
Dia tsy noheverinao akory
Fa nolozainao aza fa hoe
Toa adala sy manorisory
Ka hiangaviako mba fafao
Irony lasako sy tantara
Aza atao an-tsaina intsony
Indrindra fa ny anarako
Ary ko ny fitiavako
Ny endriko mitsiky
Ny masoko mijery dia
Aza atao an-tsaina intsony
Fa niseran’izy ireny
Ataovy toin’ny nofy
Tao anaty torimaso
Ka azafady mba fafao
Ilay fitiavako anao
Aza atao am-po intsony
Fa avy hatrany dia "avalony"
H.T.S.
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Mpakafy:
Rojo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : HERILALATAHIANA Tojosoa SarahNampiditra : tinalalaina117
Daty : 19/05/2007 09:27