MBA HO AIZA? (HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba ho aiza ?
Izaho moa mba ho aiza rehefa tsy horaisinao ?
Hiverin-dalana aho angamba dia hody
Hangina samirery
Hitsapatsapa toin’ny jamba ireto masoko mijery
Ka hitogaigigaigy eny
Nandosiran-kasambarana
Ho lasa adala angamba anjeny
Dia ho ory tsy hanam-pitsaharana
Ka tsy hahatelin-dray sotro
Fa ho kotsam-paharesena
Satria ianao no mba sarotro
Nantenaina tsy hahalena

Ka izaho moa mba ho aiza ?
Ho any amin’izay mahafaty any aho ve no handeha ?
Dia ho aiza raha tsy tanty
Hirotra mafy ve ?
Ka hilomano mangingina
Anaty dobom-panenenana
Ny ranomaso mikoriana
Toin’ny fantsy tsy hay tampenana

Ka hono oa ! ho aiza ?
Ho aiza marina raha tsy havelanao hiera ?
Eny ! izaho moa mba saika hiarina
Fa avelanao hianjera

Fa mba ho aiza rehefa tsy ho raisinao ?
Ny foko ianao no nosafidiana
Ka sanatria izay ho any an-kafa
Rehefa hoe : "ianao no tiana "
Aleo matin-jafajafa
Eny maizim-pandondona
Ka tsy fantatrao intsony
Kanefa izaho moa mba saika hifona
Fa hoy ianao hoe :"avalony "

Ka hono oa ry sakaiza
Ndrao dia sangy tiana ianao
Fa ny tiana kay mba ho aiza
Rehefa tsy ho raisinao ?
Mba ho aiza ?

H.T.S. 14.08.00
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1075 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 14/05/2007 21:07)
snif
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah
Nampiditra : tinalalaina117
Daty : 14/05/2007 15:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01