You are here: home > Vetso

IZY NO POETA - HERININA

Azo vakiana?

Misokatra indray ny diarim-panoratany
mihelina indray ilay akon'ny fanahiny
fa iza moa no anarany?
inona no anjarany?
hatraiza ny tantarany?

Tsy fantatrao mazava ny miafina ao anatiny
fa ny hany hitanao dia ny soratra soratany
dia mihevitra ianao
fa iny sora-tanany
dia fiainana lalovany

Angamba, hoy izaho, fiainana niainany
no soratany hitarainany ny andron'ny marainany
kanefa aza mino
ny rediredy ambarany
fa izy dia fanahy

Efa kilalaony ny miantsa ny tontolo misy anoloany
efa koa fanaony ny mamorona an-takila
ny nofiny mivaona
hambaboany anao
handreseny lahatra
ilay fanahinao

fa izy no poeta

HERININA (07 Novambra 2013)

Sokajy : POETA

Mombamomba

Mpanoratra : HERININA

Nampiditra : herininatjh
Daty : 02/06/2016
Mpamangy : 775
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

FEO FANAHY
RAISO NY PENINA
VONJEO NY TANINTSIKA