TALENTAN’ IRETO POETA (IARANTSOA Mahefa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny talentan’ ireto poeta
novolainy ho soa sy miridra.
Mamelon’ ilay hetaheta
higoga ny tsara indrindra!

Toa ranomahery manonja
Mandrendrika fo ho tamàna.
Angolany tokana monja;
Manainga fanahy tsy ho tana.

Ny hakantony mahasondriana
topazana atao indray mijery.
Fa teboka mila tsindriana
Ilay hevitra tao misitery.

Ny fiainana sy ny tontolony
no akora sy nataony feta.
Toa kanto avokoa izay natolon’
ny tontolon’ ireto poeta.


Ireo no mpiasa nanao fanekena
hitondra ny misy any ho any.
Ho fitaratra iray hijerena
ny toetra sy bikan’ny tany.

IARANTSOA Mahefa 30 10 2019
--------
Rohy:
99 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0606