MPANOTA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpanota tsy mendrika akory
no tonga mba te hitaraina.
Ny maso tsy mba azon-tory
kikisan’ireo adin-tsaina.

Toa notetezina foana ireo
mpahita sy ho maminany.
Tsy nisy mba zava-niseho
omaly tsy niova eny ihany.

Ka indro aho fa midodododo
manganohano sy mipitrapitra.
mifona fa toa zaza bodo
sisasisan’ ny ota sy ditra.

IARANTSOA Mahefa
Oktobra 2019
--------
Rohy:
269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:26
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154