NY FIARAHAMONINA ETO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zendana aho mandinika
ny fiainan’eto an-tany.
Ny ambany sy madinika
torovana aok’ izany.

Izay dinitry ny tava
no hany hifaharana.
mirotoroto lava
tsy misy fitsaharana.

izay tsy maintsy ilaina
ireo aloha ny takatra.
Ny sisa tsy visaina
fa mbola ankamantatra.

Izy ireo mba te-hivoatra
ka miezaka mitolona,
saingy tsy afaka manoatra
fa tsy mafantatr’olona.

Tsy mba toy izany kosa
ny ngeza sy ny ambony.
Ireo harena be miavosa
no hanaparany ny fony.

misotrosotro sy mifoka
tsy mikajy izay ho sarany.
Ny voninahitra sy doka
no tena hasambarany.

Miharihary hatramin’izay
ireo fitiavan-tenany
Ny risoriso sy antsonjay
no hanaparany ny harenany.

Mandrotidrotika ny fo
mahagaga mampisento,
ny takaitra izay manjo
ny fiarahamonina eto.

IARANTSOA Mahefa
--------
Rohy:
217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:25
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143