TEBOKA (IARANTSOA Mahefa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teboka mamarana ny amintsika roa
no hirentirenty havandravandrako eto.
Teboka hamafa ny lasana taloha
niarahana nifaly niaretana ny sento.

Tsisy intsony andalana hanarak' azy 'ty
fa ho teboka ankiray maintimainty loko.
Lavenona no sisa forohan' ny fitia
fa maty teto ny afo niketrika ny foko.

Ny amintsik' reny nivalona sy dila,
nivoraka ny voady nifanomezan-toky.
Teboka no sisa hamarana takila
hanidy ny diary sy hanakombona ny boky.

2016
--------
Rohy:
148 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.062