NOLEFERIKO AVOKOA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa noleferiko avokoa
ny mombanao rehetra,
fa voady tato am-po
ny hoe hitia tsy misy fetra.

Voalatsalatsanao hatrany
raha niezaka ny nanasoa.
Tsy nahasakana ahy izany
fa noleferiko avokoa.

Tonga teto am-pototsofiko
ireo ditraditrano taloha.
Mba hahatoa ny nofinofiko
dia noleferiko avokoa.

Tsy nampaninona ahy mihitsy
ianao ilay mafimafy loha.
Efa vonona aho hanitsy
ka noleferiko avokoa!

Fifaliako ianao milamin-tsaina
ka dia matokisa sy minoa.
Izay sisa ho avy sombinaina
Mbola lefitro avokoa!

IARANTSOA Mahefa 26 -10-2019
--------
Rohy:
271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.125