HAFATR'I DADA (Ifanomezantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka !

Hifarana eto ny tantara
Nantenaiko mbola hitohy.
Tsy haiko intsony izay ambara
Ka ranomaso no mijohy.

Efa natolotro avokoa
‘zay kely mba nananana.
Nampandefitra hambo-po
Nandady tongotra aman-tanana.

Nosakanako i Neny tsy handrava
‘zay niarahanay nanangana,
mba hitsinjovana ny zaza
miferin’aina sady mangana.

Impiry aho niala nenina
Sy nanohy ‘zay efa tapaka
Noho ny marina tsy afenina
Olombelo ka solafaka.

Saingy !

Sivy volana aho niaritra
Sy nanantena fiovana.
Herintaona aho nandrafitra
‘zay efa an-dalam-paharavana.

Toa zava-poana ihany
Ireny fihafiantsika ireny
Toa fahoriana sy tomany
No valisoa mba nomeny.

Mbola kely ianao ry Aiko
Ka tsy mahalala ny tantara
nefa henoy ihany ‘zay lazaiko
F’ianao io mbola hitsara.

Fa hisy volana sy taona
Hihaontsika sombiniaina
Izao aloha : mandrapihaona
No hany azoko lazaina.

Ny fo, fanahiko izay marary
Sy ny sentoko tsiahivo
Fa mbola ho loko tonga sary,
Sarin’ny alaheloko marivo.



Farany !

Avelao i Dada hitomany
Ary tazony ho tsiambaratelo
Izany alaheloko eto izany:
Veloma hoy i Dada malahelo.

31 oktobra 1997
"Tantara marina)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
2119 1
Mpakafy: lemien
Hevitra mandeha
lemien ( 17/11/2009 14:39)
Ny mafaly fotsiny de hoe , kay ve na dia ny bandy aza de missouffre otran'izany rehefa tokoa ny tokoa e!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ifanomezantsoa
Nampiditra : Ifanomezantsoa
Daty : 05/02/2008 10:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149