You are here: home > Vetso

MISY... - Ifanomezantsoa

Azo vakiana?

MISY…

Misy andro tsy ampoizina
Mampiverina ny lasa
Ka mampifoha ny tsiahy
mba haningotra ny fo.


Misy kalisy feno poizina
Tavela, tsy voasasa
Antsefatsefaka fanahy
Nantenaina hitondra soa


Misy andro, misy ora
Anembonana olon-tiana.
Mahalasa ny vinany
Sy mahavery ambiroa.


Misy kalo moramora
Izay tsy fantam-pihaviana
Mampirotsaka tomany
Sy mampitresaka ny fo.


Misy tsiahy sy alahelo
Mamparary nefa tiana
Fa anembonana malala
Efa ela no nidify.


Misy koa tsiambaratelo
Tsy ho voalaza na oviana
Ary tsy hisy hahalala
Fa nirakitra ny nisy.

Andravoahangy, 01 desambra 1999

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Ifanomezantsoa


Nampiditra : Ifanomezantsoa
Daty : 06/03/2006
Mpamangy : 979
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FANOMEZANA
HAFATR'I DADA
AVELOM-PITIA
AVELOM-PITIA
TARATASIN-DRAFILAHY
OTRIKAFO
PRINCESSE D’AMOUR