You are here: home > Vetso

FANOMEZANA - Ifanomezantsoa

Azo vakiana?

Nofinidiko tao anatin’ny maro
Ho namana tsy hifandao
Tiako sy maha saro-piaro
Ambonin’izao rehetra izao
Ka iriko ho taolan-tehezana

Ho tolorako ‘zay sarobidy
Mba ho lavitry ny fijaliana
Tsy hanarahako lalàna sy didy
‘zay sahy mampahory ny tiana
‘reo zatra mpanao an-detrezana


Tiako sy silaky ny aina
Hilazako ireo zava-manjo
Hamborahako irony taraina
Hilazako zay hafaliam-po
Nofinidiko ho FANOMEZANA


Hitondra ny voalohan’anarako
Fara-sentoko any aoriana any
Hamarana ny sombin-tantarako
Ka ny fitiavana havaliny izany…
ANDRIko ho FANOMEZANA!

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Ifanomezantsoa


Nampiditra : Ifanomezantsoa
Daty : 31/10/2018
Mpamangy : 533
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HAFATR'I DADA
MISY...
AVELOM-PITIA
AVELOM-PITIA
TARATASIN-DRAFILAHY
OTRIKAFO
PRINCESSE D’AMOUR