TARATASIN-DRAFILAHY (Ifanomezantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASIN-DRAFILAHY

Raha ho any ihany ialahy
Hibanjina ny tavany
Hiaina ny fitiavany
Dia aza ambara azy akory
Raha mbola azo atao
‘Zao sentoko eto izao

Raha ho any ihany ialahy
Ka hanolotra fitia
Hiloka ny doria
Dia aza omena azy manontolo
‘Zay tena ao anaty
Fa mety hahafaty

Raha ho any ihany ialahy
Ka haheno teny mamy
Sy toky sesilany
Dia tsarovy ry sakaiza
Fa toa izany indrindra
Ny fanaony raha hifindra

Raha ho any ihany ialahy
Ka hahita azy lasa
Fa tsy nitovy ‘zay kinasa
Dia hahalala fa tsy mora
Ny hahadino ny fitiavany
Sy ny toky ‘zay voalazany

Ary raha hiverina eto ialahy
Ka hahita anay mikalo
Tsy te hahalala izay mandalo
Dia hahalala avy hatrany
Fa ny an’ialahy fofom-pofony
F’izaho no tena tompony!

Tsinjoarivo, Marovoay
6 aogositra 1996
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1232 1
Mpakafy: lapino
Hevitra mandeha
mimisokely ( 28/02/2006 13:42)
tsara fa tohizo
fiaritiana ( 28/02/2006 16:54)
Izaho no tena tompony an! hummm, tsara izy izany!
Ifanomezantsoa ( 01/03/2006 09:13)
Misaotra ry zareo a!
Malalason ( 02/03/2006 12:58)
aoka leitsy tompoko fa mavesatra loatra ilya hafatra, mampieritreritra be koh!
tsara fa tohizo e!
lapino ( 03/03/2006 23:15)
Aoka marina kle
Danzz be le fomba hilazana hoe "aza mankany ialahy!"
Ifanomezantsoa ( 06/03/2006 08:52)
Ny aza mba voany ihany hono fa marary io ary mampirediredy. Mba fantatrareo moa ny saika lohatenin'io tononkalo io? REDIREDIN'ITSIMAHITA TORY, Saingy efa vita indray izay dia voatery novaina ho taratasin-drafilahy.
Mahereza e! amin'ny manaraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ifanomezantsoa
Nampiditra : Ifanomezantsoa
Daty : 28/02/2006 08:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137