Izy (Ikalamako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
[aingam-panahy avy tamin’ny hira "She" an'i Herbert Kretzmer, na i “Tous les visages de l’amour" amin'ny fiteny frantsay nataon’i Charles Aznavour, tamin'ny taona 1974.]
________________

Izy
Ilay endri-boasokitra am-paran’ny saiko,
Tambin’ny avo sy iva.
Ainga misoko manenika ny aiko,
Am-pitaninako afo hariva.

Izy
Ilay Fitarikandro mitsinjo ao anatin’ny zavo.
Ilay onja mandrendrika zahatra.
Rongony mitondra ahy misidina avo,
Hanofy ho avy toa lafatra.

Izy
Ilay andrin’ny aritro ela tanaty fahanginana
Ka mahasaky mandidy,
Manesy hanadino ny lasa hibanjinana
Ny aina ho fetran-tsafidy.

Izy
Ilay soritra tsiky sy trahon-dranomaso
Anovozana ireo nofy mamy.
An-tsaha feno soa na am-balan’ankaso
Dia indraiko làlana hatrany.


(8 febroary 2014)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
201 3
Mpakafy: Djess - hery - rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 16/08/2024 19:08)
enjana be..
ikalamako ( 17/08/2024 18:13)
ilay niandohany no tena henjana. Taitra hatramin'ny inspiraka tamin'izany, hihihi.
Djess ( 24/08/2024 19:24)
Tena manao an🙈
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761