Ny fanahy no olona (Ivetso)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsy eo ny fanahyMoa ho olona ry lahy ?
Hany sisa dia akora
Mora vaky sy bakora.
Raha tsy manana fanahy
Moa ho olona ry lahy ?
Tsy misy azo antenaina
Fa toy ny tany karankaina.
Ivetso, 23 aprily 2003
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/ivetso/ny-fanahy-no-olona
Sokajy :
Fiaraha-monina