Ry tsy fantatra anarana (Ivetso)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nisy ny mazava, ary nisy koa ny alina
Dia ny alina nikitroka tsy nahita-nitsinjo intsony,
Ary nisy ihany koa irony lavo, tsy afa-niarina,
Vata-nangatsiaka sisa, nitsaha-fitepo izany fony.

Miaramila izy ireo, maty an-tanim-piadiana,
Tsy teo Ikaky na Ineny fa honjohonjon'izy irery.
Mangidy koa raha mangidy, lavitra ireo olon-tiana,
Tsy hilevina an-tanindrazana ka ny faty dia ho very.

Maty ho an' i La Frantsa, reharehany tokoa,
Tsy niamboho adidy izy fa nisikina herimpo.
Ny aina tokana no fetra, ny bala mahafaty moa.
Izay sendra azy tsy afa-miala fa dia ny aza mahavoa.

Izy rehetra rehetra ireo dia samy nanana ny anarany,
Tsy menatra nitondra izany, Malagasy ray sy reny.
Niady ho an'ny fahafahana hatramin'ny fofonaina farany,
Ny ho faty ho an'i La Frantsa, tsy nolaviny, nekeny.

Nefa kosa ho'aho nahoana no very hatramin'ny anarany
Ka tsy hisy hahatsiarovana azy afa-tsy ny ady ihany ?
Moa ho levona tanteraka, hifarana eo ny tantarany
Ka ny fasana ilevenany sisa no hahalalana izany ?

Ry tsy fantatra anarana, na iza mety ho fiantsoana anao
Dia ho ianao hatrany ianao, tsy nanombinana tsy akory.
Ny tarana-mifandimby, eny, izao tontolo rehetra izao,
Hahatsiaro, tsy hanadino ireo efa lasana natory...
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Tanindrazana
3499 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
hery ( 22/11/2003 12:45)
Nandeha tao amin'ny serasera ity dia nanintona ahy. Nangatahako tamin'Ivetso hoe havoaka eto dia nanaiky izy. Misaotra an'Ivetso.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ivetso
Nampiditra : hery
Daty : 21/11/2003 21:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141