Asaramanitra (Ivetso)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahaba tonga soa ianao ry Asaramanitra !Faly mandray Anao ny rehetra, ambany lanitra.
Mbola mifono misitery nefa maharavo fo,
Mandrosoa ery aloha fa raisinay an-tanan-droa.
Tamin'ny mamatonalina no niandrasanay anao,
Mova tsy ny miandry vohoka, fahaterahana vaovao.
Tsindrian-daona ny rehetra. Olo-maro sesehena
No efa vonona hitsena sady miandry, manantena.
Arahaba tonga soa ianao ry Asaramanitra !
Avy aiza ka ho aiza ? Ny dianao dia tsy hita faritra.
Ny kely hany fantatray dia eto aloha ianao izao.
Tonga hiara-dàlana aminay, ô ry Taona vaovao !
Tamin'ny mamatonalina no niandrasanay anao.
Mitondra inona ianao ? hoy ny vetso anaty ao,
Fa miandra fahavelomana izao àry rehetra izao.
Moa ho taom-panambinana amin'izay rehetra atao ?
Irina indrindra ianao ry taona ho taon-jina,
Ho taom-pahasoavana, ka tsy hisy ho diso fitahiana,
Hanjaka ny fifankatiavana sy ny fanahim-pirahalahiana
Ka hifanohantohan-tsy ho lavo eto an-tany fivahiniana.
Fotoana voafetra ihany no ahazoantsika miaraka,
Koa ny firariana hatrany no ataonay variraraka.
Arahaba tonga soa ianao re ry Asaramanitra !
Enga ho taom-pifaliana sy hamerovero hanitra !
Ivetso
--------
Rohy:
Sokajy :
Fifaliana