ANATIROVA - Ivetso
Fa nankaiza ho’aho reroy Ilay Akany paradisa
No banga azy ny toerana ka entanim-bisavisa
Mampirongatra tsiahy ? Fa nankaiza Ilay Lapa ?
Sa izaho va no jambena, badenina, miraparapa ?
Tsy jambena aho akory. Teo tokoa Anatirova
Saingy sompatra e ilay Afo ka indrisy fa niova
Ny tontolo izay jinery. Fahatsiarovana no sisa
Ka satry hatrany hametsovetso ary koa hitanisa.
Zovy ? Iza no tsy taitra raha nandre ny vaovao
Fa hoe kila sy forehitra, tsy nisy horaisina ianao
Ry Anatirova lovasoa, tokana tsy ananan-droa ?
Tsy hohadinoina na oviana. Voarakitra ao am-po.
Ry Anatirova ô, raha mbola tany koa ny tany
Tsy levona ianao tsy akory ! Mandrora mitsilany
Ny Rangory fototry ny afo, fanetribe, tsy valahara.
Hamelomaso Anao hatrany ireo zanaka amam-para.
Ivetso
Hevitra mandeha
fiaritiana (05/11/2005 11:54:27)
Tsara ny tononkalonao sady 10 taona mihitsy izay no nahamahay ilay rova malalantsika! tohizo e!
Mombamomba
Mpanoratra : Ivetso
Nampiditra : VetsoDaty : 04/11/2005
Mpamangy : 2046
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ry tsy fantatra anaranaEtsy babeko
Ny fanahy no olona
I amalonkely
Asaramanitra
LOUISIANE