RY ANJELY (IZY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hira sy ny kalo
Tsy avelako handalo
Ataoko indray misambotra !

Ny tsanta sy ny vazo
Tsy ekeko raha malazo
Fa tsara sy mandrangotra !

Ny revy sy ny rombo
Tsy avelako hitombo
Ny aiko anie ka kely !

Matoa aho mbola eto
Mandre anao miventso
Resinao ry Anjely !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1369 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IZY
Nampiditra : mpisotrtoaka
Daty : 14/01/2014 13:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097