setrasetra (IZY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SETRASETRA

Hoy izy anakam-po: “ sompatra ny anjara”
fa tsato-tefona an-damosiny ny nofiny
voarara,
Navily an-kerisetra ve ny lalan’ny tantara.
sa kosa setrasetran’ny saina maramara?

Fitaka, …halany io voambolana io…
Mantsy ilay noheveriny ho fitiavana madio
nampisahotaka ny fiainany ho lasa ambony ambany,
nandoko ny masoandrony hirenty ngalingaly.

Efa manan-tompo sy vofatotra any ho any
ilay niloka toky saingy olo-tsy manjary.

Nataony tsara ketoka ny hidim-baravarana…
Nofihininy amin-kery ny mosoara teo an-
tanana…
Nosonafiny ilay kibo misy aina nitambarana…
Nirotsaka mangina ireo sentony mahalana…

Tsy tanany intsony ny rediredin-tsainy.
Tapa-kevitra izy hitafa amin’izato sombinainy.

“Sombinaiko tiako indrindra sy malalako ato
an-kibo,
tsy hadisoanao ny kapoka mandrivorivo,
izay manjapy mafy, mampivanditra an’i Neny.
Fa ny tany no malama, ny nofo no malemy.
Hoezahintsika avalona iny bokim-piainana
iny…

Ny hahatonga anao ho vanona no ahiko
ankehitriny”
.
AMAL
22 septambra 2014
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1069 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 18/04/2015 07:17)
tena tsara, fa hainao mintsy ny mamoaka le hevitra anaty tononkalo!! tohizo e, mankasitraka zah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IZY
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 17/04/2015 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151