Volana (IZY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Volana

Io fa manjelatra ny volana,
amin'ny mamantona alina.
Ny olona efa any amin'ny nofy.
Izaho anefa mandinika azy.
Kanto dia kanto tokoa anie izy
no sady mangina.
Itako fa irery izy ka noresahiko.
Noresahiko taminy ny alaheloko.
Tsy namaly anefa izy, fa ny fahanginany no nampitony ahy.
Ny rivotra mangatsitsika nitsoka avy aminy no nanafosafo ahy.
Reraka aho ny andro,
korontana sy adin-tsaina
fanambaniana sy fanaratsiana
nefa izy nanome hery ahy indray.
Rehefa eo izy dia toy ny hoe nomeny ho ahy izao tontolo izao,
rehefa eo izy de niala ny sorisoriko,
rehefa eo izy dia sambatra aho,
rehefa eo izy dia olon-kafa aho,
izay no itiavako azy.
Izao anefa tsy maintsy hifandao izahay,
fa ho avy indray ity ny maraina.
Nefa tsy ela izany,
tsy andriko indray ny ahita an'azy,
tsy andriko ny hiresaka aminy.

Eny , ianao ilay namako.
Ianao ry volana.
--------
Rohy:
Sokajy : Natiora - Alina - Tontolo - Fiainana
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IZY
Nampiditra : Miarotanjona
Daty : 21/04/2023 18:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144