ANGAMBA (JERY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA...
.
Angamba mba efa ranomasom-pifaliana
Zao henoko mijoy moramora ao zao
Aiza ve dia efa an-taona nijaliana
Dia mbola higogogogo noho izay fandaozanao?
.
Angamba mba efa tako-perim-panantenana
Ity aloka manaloka ny dia;tsy mampanahy!!
Fa zavona hisinda ary tsy ho ela dia hazava
Lay endrika tomadin'ny foko atramizay
.
Angamba efa azo hitsikina izao ny ratra
F'efa levona sy maty 'lay afo-be nandoro
Isa...roa...telo...dia lasa!!!
Veloma ianao ry sento fa sitrana ny foko
.
JERY
--------
Rohy:
1017 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 18/05/2017 06:01
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117