You are here: home > Vetso

Fo iraisana - JERY

Azo vakiana?

                 Fo iraisana

Ka anao aho dia malefaka
Tia anao aho dia nipetraka
Ka hibanjina ny ho avy
Tsy ho handalovam-behivavy
Fa fo iraisana ny antsika

Tia anao aho ka namaritra
Babonao aho ka nifatotra
Tsy ho mpizara voninkazo
Izay rehetra tiako hahazo
Fa fo iraisana ny antsika

Tia anao aho ka namboraka
Fenonao aho dia nanoratra
Ny fitiavana ao anaty
Hamaky izany moa tsy satry
Fa fo iraisana ny antsika

Adalanao aho nefa indrisy
Toa nanantena ny tsy misy
Ny fitiavanao efa nifindra
Ka vita hatreo ny faniriana
Dia fo misaona re no sisa
            JERY
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : JERY


Nampiditra : landryjery
Daty : 30/06/2015
Mpamangy : 873
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tiako raha mba tsapanao
SOA IHANY - JERY
NIEZAKA
AFERO
Eee...
KAMO
TSY INONA AKORY
TSY MISY
ALOHAN'NY
SORATRO