Inona no antony? (JERY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona no antony?

Inona no antony mahatonga anao ho maloka?
Inona no antony hamerenanao ny tsiahy?
Inona no antony tsy hatrakanao ny lanitra?
Inona no antony hampahoriana ny fanahy?

Moa tsy efa lasa ilay nilaza tsy tamana?
Moa tsy efa vita niarahana natao?
Moa tsy mbola to ny lokaloka sy kinasa?
Moa tsy mbola tony ny fonao hatramin'izao?

Dia inona no antony tsy hahitanao tory?
Inona no antony hamerezanao toky?
Inona no antony hanembonana azy hatrany?

Moa tsy fantatrao fa fitiavana nindraminy?
Moa tsy efa feno ny kapoakanao taminy?
Sa tsy mino ianao fa mbola mihodina ny tany?
JERY
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina - Fitiavana
1078 1
Fans: landryjery
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : JERY
Inséré par : landryjery
Date : 23/06/2015 13:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146