Ampidiro aloha ny tenimiafina
MANIRY... (JERY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANIRY...Tsy haniry dera sy laza aho
Fa maniry koa raha maniry
Hisy fo sahy hilaza
Fa sambatra eo anilan'ny tiany
.
Tsy hitady voninahitra aho
Fa mitady koa raha mitady
Hasambarana ho anao
Ho fanilo anaty ady
.
Tsy hila tambiny aho
Fa mila koa raha mila
Valin'ny ezakao hitraka
Mba ho zary fifaliana
.
Tsy hiseho ho marina aho
Fa hampiseho koa raha hampiseho
Fa mana-namana hatokisana
Miombo-po,miray feo
.
Tsy hibanjina lanitra aho
Fa mibanjina koa raha mibanjina
Ireo lavon'ny onja-tany
Hanampy azy ho tafiarina
.
Tsy hirary fitsetrana aho
Fa mirary koa raha mirary
Tsy handona anao intsony
Ny fahorianao omaly
.
JERY
PAGE FACEBOOK: Tononkalon'i JERY
--------
Lien:
Fans:
landryjery
