SANTIONANY (JERY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANTIONANY

Santionan'ny hasambarana mbola hiainantsika izao
Santionan'ny alahelo vokatry ny fitia
Santionan'ny tebiteby,ny adiady izay fanao
Rehefa tena tafahorina ny tokatranontsika

Santionany ny hafaliana tsy homby tratra ombieny
Santionany ny eritreritra mitebiteby lava
Santionan'ny ranomaso mbola hilatsaka any ireny
Rehefa tena tafatambatra ny fontsika ry malala

Santionan'ny fiainan'ny olona any am-paradisa
Rehefa tena tafahorina ny tokatranontsika
Santionan'ny fitia mbola homeko anao any

Santionan'ny tebitebiko ny andro tsy hihaonana
Santionan'ny adalana,santionan'ny fisaonana
Santionan'ny faniriana ry tokako eto an-tany
JERY
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1145 1
Mpakafy: landryjery
Hevitra mandeha
landryjery ( 23/06/2015 09:58)
Voalaza ao anatin'io tononkalo io daholo ny zavatra rehetra hatrehana rehefa manambady
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 23/06/2015 09:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0327