SORATRO - JERY
Azo vakiana?
SORATRO
.
Soa fa nisy anao aho ry SORATRO
Nandrakitra an-tadidy ny tsiaro tsy ho faty
Soa fa nisy anao aho nitolona
Niaraka nizaka ny ngidy sy ny mafy
.
Soa fa nisy anao aho nampitsiry
Ny raozy efa nandazon'ny taona tsy hita fetra
Soa fa nisy anao aho mba nikiry
Nampitraka ahy hatrany sy hiatrika ny sedra
.
Soa fa nisy anao aho ry SORATRO
Hanembonako ny lasako,hanantenako indray ny ho avy
Soa fa nisy anao aho ka haborako
Raha toa nilaozanao aho,ohatr'izay tsy efa maty?
.
Dia soa fa nisy anao aho Ry SORATRO mitoetra
Mana-namana tokoa ity ny havanao
Soa fa nisy anao aho ka izao no tarigetra
Ho ravahantsika soratra izao tontolo izao
.
JERY
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : JERY

Nampiditra : landryjery
Daty : 19/05/2017
Mpamangy : 626
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tiako raha mba tsapanaoSOA IHANY - JERY
NIEZAKA
AFERO
Eee...
KAMO
TSY INONA AKORY
TSY MISY
ALOHAN'NY
ANGAMBA