AZA AVELA - Joh
Azo vakiana?
Aza avela hangatsiaka
Ity tokantranontsika
Fa itondrao ilay hafanana
Ivimbino hazavana
Aza avela ho ratsiratsy
Na koa hangasihasy
Fa itondrao ilay voninkazo
Manitra sy tsy malazo
Aza avela ho matimaty
Na koa ho lany daty
Fa itondrao ilay fanafody
Mahamanina ny mody
Aza avela hanirery
Ity tokantrano kely
Fa haingàna ka modia
De hivimbino 'lay fitia
Aza avela ho voaroba
Na koa voasotasota
Fa haingàna ka ambeno
Itondray ‚lay fitia feno
Aza avela hangata maso
Na lalovan'ny ankaso
Fa hitondray fitia madio
Ity ankanintsika anio
Aza avela ho olon-drery
No hiambina tsy ho very
Ilay fitia an-tonkatrano
Fa ny roa no voatsodrano
Aza avela hianjera ny voninahitra efa entiny
Fa tazony tsy ho very ka tena hody ventiny
Ny rano natsakaina tao an-tokantrano tao
Iaraho misalahy fa ho tena tsapanao
Fa fiadanana tokoa no azo ao an-tokantrano
Ka tsy ho tafiditra ao ireo loza sy angano
Hevitra mandeha
nyeja (24/08/2005 14:28:30)
"aza avela "lohatenin'ny tononkaloko koa io. tsara ry petitbateau a mahereza fa mahay ianao e
Lepetitbeau (24/08/2005 14:39:53)
Mombamomba
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : LepetitbeauDaty : 23/08/2005
Mpamangy : 1585
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
NY FITIAVANTSIKA ROANoely
TIA2005
Tiana
Neny o!
Tsy hahasaraka ahy
Ry tiako
Ry taniko!
Ny sigara
Ratram-pitia