Ry tiako (Joh)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako loatra ianao ry aikoTsy voasakako ny saiko
Tsy hieritreritra anao
N'inona n'inona atao
Na mandeha na mitoetra
Amin'ny androko rehetra
Ao an-tratrako ianao
Ry tiako
Mangirifiry loatra
Ny tsy mahita anao
Nefa tsy afaka manoatra
Ary tsisy azo atao
Mbola lavitra ny dia
Ho diavintsika roa
Raha izaho aloha dia tia
Ka hivavaka tokoa
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/joh/ry-tiako
Sokajy :
FITIAVANA
Hevitra mandeha

tia2005
(
02/08/2005 13:39)
tsara ê! ahona koa ny manaraka ?

vonimboasary
(
04/08/2005 16:54)
Tsara ilay izy e!
hay ve ianao mahay manoratra
be ohatra io e! sady tena mampihetsim-po tanteraka le izy e!
mazotoa e! dia tohizo foana e!
hay ve ianao mahay manoratra
be ohatra io e! sady tena mampihetsim-po tanteraka le izy e!
mazotoa e! dia tohizo foana e!