TIA2005 - Joh
Azo vakiana?
Tsy hay ny tsy hankasitraka an'izay olona izay
Mpankafy mangina ny sangan'asako hay
Ka manimpy soso-kevitra sady mampatsiahy
Zay tokony ho soratako ianao ry "Tià"
Tsy mifankahita nefa mifanakaiky, tena mety
Noho ny resaka hifanaovana amin'ny INTERNET
Tsy mifankahalala koa; nefa mitafa vetivety
Mahatantara fahoriana, maharesaka ny fety
Namako ianao, izay no azo hamintinana izao soratra izao
Ka iriko mba haharitra ity fifampitàna vaovao
Ka antenaiko fa tsy ho sorena na ho mora leo ianao
Fa hitafa sy hiresaka araka zay azo atao
Dia ho tantaraintsika ny soa sy ny kanto
Ny vaovao taloha sy ny malaza tato ho ato
Dia hifampizarana koa ny mamy sy matsatso
Na dia an-tsoratra ihany aza dia antenaiko tsy hiato
Hevitra mandeha
Lepetitbeau (06/10/2005 11:30:35)
Salut Tia2005! miala tsiny fa noho ny fotoana dia tsy afaka nanoratra izaho dia iny ary le tononkalo ho anao de misaotra anao amin'ny fankasitrahana mandrakariva - Joh
tia2005 (06/10/2005 13:18:09)
whao!! faly tokoa tsy misy toa izany ry Joh fa misaotra d tohizo fa mana-talenta ianao marina ê! manja b tokoa ity izy!!! bisous ho fisaorana !
eh (07/10/2005 11:14:08)
tsara ry ptbeau â! fa aiza ny ahy amin'izao ê? tsara fa tohizo kanjoko!
Mombamomba
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : LepetitbeauDaty : 06/10/2005
Mpamangy : 1935
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
NY FITIAVANTSIKA ROANoely
Tiana
Neny o!
Tsy hahasaraka ahy
Ry tiako
Ry taniko!
Ny sigara
Ratram-pitia
Kanto