Neny o! (Joh)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry neny ô ny fitiavanaoNo niankinako
Ka nahatonga ahy
Ho lehibe tahak'izao
Neny ô inona e! no havaliko anao
Mba ho tonga lafatra ny fifalianao ?
Ry neny ô raha izaho
Dia fantatrao
Tsy hahavaly
Ny faran'ny fitiavanao
Neny ô hivavaka mba ho anao
Mba ho tonga lafatra ny fifalianao
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka - Fahatsiarovana
Hevitra mandeha

IARIS
(
21/07/2005 16:54)
Raha mahatsapa ny mahasarobidy izany reny izany tahaka anao daholo ny olona rehetra dia ho sambatra tokoa ireo nahitana masoandro

Lepetitbeau
(
22/07/2005 09:03)
Misaotra ani'IARIS naneho hevitra! amiko de tena sarobidy ny reny ka izany no anisan'ny namoronako io ho an'i Neny! Misaotra o!!!!!!

tia2005
(
02/08/2005 10:37)
manatalenta enao ka!tohizo

vonimboasary
(
04/08/2005 17:16)
Tsara rehefa mahatsapa ianao
fa avy reny na vehivavy no nivoahanao ka hajainao fatratra izy
ireny e! misaotra fa manome hery
ny reny rehetra mba tsy ho kivy e!
fa efa manana olona mahatsiaro
foana e!
tohizo e!
fa avy reny na vehivavy no nivoahanao ka hajainao fatratra izy
ireny e! misaotra fa manome hery
ny reny rehetra mba tsy ho kivy e!
fa efa manana olona mahatsiaro
foana e!
tohizo e!

boule
(
08/08/2005 13:47)
misaotra Rajoh fa tonga aty ny hafatra eh! lafatra ny reny eh!