Kanto - Joh
Azo vakiana?
Ny fifaliako eto an-tany
De ny mahita anao mirana hatrany
Tahaka ny voninkazo eny an-jaridaina
Manome endrika maharavo ny saina
Zato volonao lava mitopatopaka
Mahafaly ny maso ary mampite-haka
Ny feonao mikarantsana soa ery
Maninontona ny saiko te hanirery
Ny bikanao tsara mahitsihitsy
Marina moa raha misy toa azy mihitsy
Ny safosafonao koa moa tena tsara
Ka aiza moa za no tsy ho tara
Marina tokoa le hoe Ravaky ny saha
Ka izay mahita midanaka mitady hivaha
Mijery ilay ha-kanto mahafinaritra
Mahasondriana mampite-hizaha maharitra
Hevitra mandeha
tia2005 (04/08/2005 12:08:05)
Mombamomba
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : LepetitbeauDaty : 02/08/2005
Mpamangy : 1822
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY FITIAVANTSIKA ROANoely
TIA2005
Tiana
Neny o!
Tsy hahasaraka ahy
Ry tiako
Ry taniko!
Ny sigara
Ratram-pitia