Ny fitiavana (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fitiavana no tanisaina
De resaka sarotra mahavery saina
Zavatra sarotra tsy azo faritana
Fa miankina betsaka amin'ny vintana

Indraindray mantsy an-taonany maro
Ny olon-droa no mifangaroharo
Nefa misaraka tsy ahoan-tsy ahoana
Ka de very maina sy lany fotoana

Ny sasany indray vao omaly no omaly
No niady be sy nifamaly
Nefa androany eny ambony alitara
No famaranany izany tantara

Tendry sy anjara fa tsy safidy ny atao hoe fitiavana
Izay tianao tsy azo alaina fa nareo hono mpihavana
Lay tsy tianao bika, tsy tianao tarehy tamin'ny fahazazana
No hanjary vady hiara-dalana amin'izay hombàna

Mandinika izany ny manam-pahaizana de vaka ny saina
Ilay olon-tiana sy olo-malala heverina halaina
Voasakatsakana amin'ny zavatra maro ka na mikiry aza
De mifanary eny an-tsasa-dalana fa tsy sahaza

Noho izany de izao no atoroko anao:
Andraso mihitsy ilay feo tokana anatinao ao
Fa izy no hibaiko sy hanoro lalana anao mba hifidy
De hitondra ny mamy ho anao 'lay fitiavana fa tsy mangidy
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
6889 3
Hevitra mandeha
doum ( 04/08/2005 12:42)
marina zan ry Joh a
misaotra anao
soari25 ( 04/08/2005 14:17)
tena izany mihintsy no marina ka !
dia mirary anao hanohy hatrany ry Joh a !
vonimboasary ( 04/08/2005 14:58)
Tena tsara ilay toro-hevitra e!
misaotra betsaka a! hay ianao kay
manana hevitra tsara toy izany ihany kay !
tohizo hatrany e!
boule ( 08/08/2005 11:36)
ekeko ihany lay hoe tendry sy anjara, fa laviko kosa ilay hoe tsy safidy........
Ary tena tsy ekeny saiko tanteraka ilay hoe hitondra mamy ny fitiavana, rehefa tafatsofoka ao ka nifanao sonia de manomboka eo koa ny fisokafan'ny varavaran'ny fahoriana sy fijaliana ary eo no ahitana izay mahazaka hatramin'ny farany.
tia2005 ( 01/09/2005 11:49)
zava manahirana tokoa io fitiavana io ê! aza mijabaka rehefa mbola tsy tafiditra sy tsy te hahita olana!hoan'ny célibat izany an!tsara Joh â!
Domoinalove ( 23/11/2008 15:28)
Marin alou zan e!Anjara tokoa mants iz io.Merci e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 04/08/2005 12:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143